Fandaharanasa Fihariana: miisa 100 ny tetikasa tohanana tato anatin’ny 3 volana

Isan’ny fandaharanasa manohana ara-bola sy ara-teknika ny malagasy mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Fihariana. Isan’ny omena lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha, indrindra ireo manana zava-baovao sy miantraika amin’ny toekarena sy ny tontolo iainana.

Mpiara-miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fihariana. Isan’ny ataony laharam- pahamehana ny vehivavy mpandraharaha.
Araka ny fanombanana ny zava- bita, nahomby ny vokatra. Anisan’ny manohana ny fandaharanasa ny Banky Iraisam-pirenena, hanohanana manokana ny vehivavy. Mano­didina ny 100 ny tetikasa notohanany, ao anatin’ny fandaharanasa Fihariana,teo anelanelan’ny novambra 2022 hatramin’ny marsa 2023.
Misy ny famatsiam-bola sy ny fanofanana, miampy ny fanohanana ara-teknika. Ani­san’izany ny vehivavy mpandraharaha miisa efatra, ka nampiseho ny vokany nandritra ny hetsika Salon des femmes entrepreneurs (SAFE), nokarakarain’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha (GFEM). Fotoana nahafahan’izy ireo niranty ho hitan’ny mpanjifa sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa bebe kokoa.

Miaro ny tontolo iainana
Tsy mionona amin’ny sehatry ny fambolena sy ny varotra ny fandaharanasa Fihariana. Misy karazany 29, ankehitriny, ny seha-pihariana tohanany, manana fiantraikany tsara amin’ny lafiny toekarena, sosialy ary tontolo iainana.
Omen’ny Fihariana lanja koa ny tanora mpandraharaha manana tetikasa mitondra zava-baovao. Vao nahazo fa­matsiam-bola tamin’ity 3 volana voalohany 2023 ity Rami­nosoa Zina, nanokatra ny Andao Company. Orinasa misehatra amin’ny fanomezana aina vao, manodina ny plastika efa avy nampiasaina, notokanana ny 22 marsa teo, teny Ivato. Tetikasa mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra sady miaro ny tontolo iainana eto amintsika.
Toraka izany, ny mikasika ny marila Atipica, mifototra amin’ny famoronana ranomanitra, manaja ny tontolo iainana, vokarin’ny orinasa Flore Bezamanifary.
Tanjon’ny Fihariana ny hisian’ny famoronan’asa omen’ireo mpandraharaha nahazo ny tohan’ny fandaharanasa. Ezahina ny fanantonana akaiky kokoa hatrany ny mpandraharaha.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: