CUA – Application Matac : hanamora ny fahazoan-dalana hanorina

Nahazo fitaovana informatika antsoina hoe: application “Matac/Hanorina” avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, omaly. Natolotra tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Ana­lakely izany. Tanjona ny hanamorana sy hanampiana ny teknisianina amin’ny fikarakarana ny fahazoan-dalana hanorina (permis de construire).
“Mahatratra 300 ny isan’ny fahazoan-dalana hanorina nomen’ny kaominina Antana­na­rivo Renivohitra alalana ta­min’ny taona lasa”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina. « Tsy ampy io isa io noho ny tsy fa­hampian’ny fampitaovana sy ny olona», hoy izy. Nohamafi­siny fa mbola tsy nahazo fahazoan-dalana hanorina ny 80 isan-jaton’ny trano eto an-dReni­­vohitra amin’izao fotoana izao.

Ady amin’ny kolikoly
Maro ny tombontsoa  azo avy amin’ny fampiasana ity « application Matac/Hanorina” ity, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Anisan’izany ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy fangatahana ny fahazoan-dalana hanorina. Eo ihany koa ny hanafainganana ny fangatahana hanorina. Farany, hialana amin’ny fivezivezen’ny mponina mandritra ny fikirakirana antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fangatahana fahazoan-dalana.
Ankoatra izay, hita « en ligne » sy amin’ny finday avokoa ny dingana sy ny fanarahana ny fivoaran’ny fangatahana hatao, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Hahazo hafatra amin’ny finday avokoa ireo rehetra  nahaloa ny saram-pikarakarana ny antontan-taratasy. Vonona hitantsoroka sy ha­nampy ny kaominina Anta­na­narivo Renivohitra amin’ny fampiasana ny “Matac/Hanori­na” ny minisiteran’ny Fanaja­riana ny tany sy ny fananan-tany, araka ny fanazavana hatrany.
Tsiahivina fa nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny “Economic Development Board of Madagascar” (EDBM) ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nahafahana nanatontosa ny tetikasa.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: