Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 30 marsa teo, ny fanafoanana ny fampiantoana ny fanondranana volamena any ivelany. Nankatoavina tamin’io fotoana io koa ny didim-panjakana vaovao mifandraika aminy. Nanazava ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly, fa misy ny fepetra sy ny dingana vaovao tsy maintsy arahin’ny mpisehatra voakasika.
Tanjona ny hampiroborobo ity sehatra ity tena hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Mila fantarina ny lalana rehetra niavin’ny volamena. Miainga any amin’ny fitrandrahana, ny fanangonana, ny fikirakirana na ny fanodinana, mifarana any amin’ny fanondranana any ivelany. Ary indrindra ny fampodiana ny vola vahiny naterany, miaraka amin’ny fifanakalozam-bola samihafa any amin’ny banky.
Hanamora ny fikarakarana ny birao tokana
Fepetra anisan’ny hanatanterahana ireo ny fomba ahazoana ny fahazoan-dalana any amin’ny tsena fividianana ny volamena (comptoir de l’or) any ifotony sy ny fampiroboroboana azy. Ny fanaraha-maso ny tsenam-bolamena sy ny fepetra mifandraika aminy, ny fepetra mifehy ny fampodiana ny vola vahiny sy ny sazy raha tsy manao izany ny mpandraharaha. Eo koa ny fanamaivanana sy ny fanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny dingana arahina samihafa. Ao anatin’izany ny fananganana birao tokana (guichet unique), hikarakarana ireo voatanisa ireo.
Bokin’andraikitra hoan’ny fahazoan- dalana PRE, PR, PE
Anisan’ny zava-dehibe nandraisana fanapahan-kevitra koa ny fahazoan-dalana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Ao anatin’izany ny fikarakarana miandalana ny fangatahana fahazoan-dalana ataon’ny mpitrandraka madinika (PRE), ny fahazoan-dalana hikaroka (PRE) ary ny fahazoan-dalana hitrandraka (PE). Nihantona efa hatry ny ela mantsy io fanomezan-dalana io tao amin’ny Birao misahana ny kadasitry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara (BCMM). Koa, manomboka izao, mila bokin’andraikitra ny fanomezana fahazoan-dalana rehetra (PRE, PR, PE).
Ankoatra ireo, lasa sampandraharaha, manana sata ara-pitantananan’ny fanjakana malagasy ny rafitra iraisam- pirenena mametraka ny mangarahara amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny EITI Madagasikara.
Njaka A.
Mahatratra 63 tapitrisa dolara ny vidin’ny volamena iray taonina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ankehitriny. Nirongatra ny fanondranana an-tsokosoko, nanomboka ny septambra 2020 sy ny tsy fampodiana ny vola vahiny naterany, nahatonga ny fanjakana nampihantona ny fanondranana any ivelany.