Misokatra indray ny fifaninanana loka « Pierre Castel », karakarain’ny vondrona Castel, amin’ny alalan’ny orinasa Star. Mitodika amin’ny tanora malagasy mpandraharaha, hamorona tetikasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny ara-tsakafo aty amin’ny faritra Afrika. Tanjona, ny hitondrana vahaolana maharitra sy hitondra fampandrosoana maharitra eo amin’io sehatra io.
Taona faharoa eto Madagasikara ity fifaninanana ity, raha efa andiany fahenina ho an’i Afrika. Mpifaninana afaka mandray anjara ny tanora 18 hatramin’ny 45 taona, mipetraka sy misehatra eto an-toerana. Tombontsoa ho an’ny mpifaninana ny hahazoana tohana ara-bola sy fanofanana ho an’ny tetikasa mendrika. Anisan’ ny masontsivana takina ny hisian’ny fampandrosoana ny orinasany, miantraika amin’ny sosialy, ny toekarena ary ny tontolo iainana. Mitentina 15.000 euros ny famatsiam-bola ho an’ny voalohany, 10.000 euros ny faharoa. Fampiofanana mandraharaha omen’ny foibe ara-barotra iraisam-pirenena any Gènève ny fahefatra hatramin’ny fahenina, miampy fahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana Loka « Jeunes espoirs ».
Azo atao ny mandefa ny antontan-taratasy mikasika ny tetikasa ao amin’ny tranonkala www.fonds.fonds-pierre-castel.org., manomboka ny 3 avrily hatramin’ny 3 mey 2023.
Njaka A.