Hitondra fampandrosoana maharitra ny tetikasa Pic (Pôle intégré de croissance) andiany fahatelo, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Mahakasika faritra dimy (Atsinanana, Analanjirofo, Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Fitovinany) izany, ahitana kaominina miisa 82. Nikaondoha teto Toamasina ny governora sy ny prefen’ireo faritra ireo, ny tapaky ny volana marsa teo.
Zava-dehibe ny Pic 3, satria samy andalovan’ny lakandranon’i Pangalana daholo ireo faritra dimy ireo. Hiroborobo ny fizahantany, hatsaraina ny fotodrafitrasa toy ny biraon’ny kaominina sy ny sampandraharaham-panjakana, ny fambolena, indrindra ny voly fanondrana, ny fiompiana, sns. Nilaza ny governora Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fa tanjona napetraka ny hoe « mandroso miaraka amin’ny taranaka ».
Sajo




