Planète Vivante: mety ho ripaka tanteraka ny sokatra mialohan’ny 2050

Araka ny tatitra ataon’ny « Planète Vivante » isaky ny roa taona avoakan’ny WWF, manambara fa mandalo fo­toan-tsarotra ireo bibidia anaty ala eto Madagasikara. Mampanahy ny hoavin’izany eto Madagasikara, manana betsaka indrindra maneran-tany, 80 % eto an-toerana ihany no ahitana azy ( 91 % biby mandady, 80 % zavamaniry).
Haingana loatra ny faharipahan’ireo zavaboahary ireo, nefa manan-danja lehibe eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Ny olombelona ihany anefa no mandripaka ireo zavaboahary ireo, mandritra ny taona maro.
Fanondranana an-tsokosoko ireo bibidia, efa loza mihatra amin’ny voahary eto an-toerana. Ny karazan-tsokatra (Astrochelys radiata), ohatra, anisan’ny biby an-tanety be mpanondrana an-tsokosoko maneran-tany. Amidy an-kalalahana izany eto an-toerana, jerem-potsiny. Tsy voaaro ny tontolo misy azy ireny, tsy voaaro ihany koa ny fanondranana azy, toy ny volamena ihany.
Araka ny tatitra nataon’ny Planète Vivante ihany tamin’ny 2022, teo anelanelan’ny taona 1970 sy 2018, 69 % amin’ireo bibidia misy taolana maneran-tany no ripaka.
Sokatra no voalohany amin’izany eto Madagasikara, raha ny fanambaran’ny Cites (1).Tao anatin’ny 20 taona farany, 121 ireo karazam-biby tratra avy aty Madagasikara. Mety ho ripaka tanteraka ny sokatra mialohan’ny taona 2050, hoy ny UICN (2).

Ndrina

CITES (1) : Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d’extinction

UICN (2) : Union Internationale pour la Conservation de la Nature

Partager sur: