Fampirantiana chocolat: “Fampiroboroboana ny fihariana”

Maherin’ny 3500 ireo olona nijery fampirantiana momba ny chocolat (salon du chocolat) tao amin’ny Carl­ton, ny faran’ny herinandro teo. Azo ambara fa nahomby tanteraka. Fampirantiana no­ka­rakarain’ny Fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), tohanan’ny banky BNI Madagascar. Ny roa voafidin’ireo mpitsara nahafa-po indrindra dia ny tranohevan’ny Sambika sy Gourmet.
«Ny tombontsoa azo amin’izao fampirantiana izao ny fampiroboroboana hatrany ny fihariana, indrindra ho an’ny vehivavy», hoy ny filohan’ny WMG, Rama­mon­jisoa Solange Chapuis. Betsaka ny fihariana madinika toy izao fa mila fanohanana, indrindra eo amin’ny fanombohana azy. Ady atao amin’ny tsy fananan’asa fa tsy voatery miandry tolotr’asa ihany.

Ndrina

Partager sur: