Tsingerin-taona faha-10 : nivoatra nanaraka ny teknolojia ny KoloTV/FM

Nitsangana ny 31 marsa 2013 ny haino aman-jery KoloTV/FM. Feno 10 taona katroka ary nanamarika izany tetsy Antanimena, ny zoma hariva teo.

Haino aman-jery efa nandalo fotoan-tsarotra sy sedra ny Kolo TV/FM sy ny Kprod. Anisan’ izany ny fanakatonana azy saingy mbola izao nahatratra ny faha-10 taonany izao ary mbola mikendry ny handeha lavitra kokoa, miaraka amin’ny fahaiza-manao sy ny fivoaran’ny teknolojia ary ny fiofanana, araka ny lahateny ni­fandimbiasana. Nambaran’ny tale jeneraly, Andriantsarafara Mija fa nanana tetikasa izy ireo tany am-piandohana ary nanana fahasahiana tao ana­tin’ny fotoana tsy nilamina ny hanitarana any amin’ny faritra ity haino aman-jery ity. “Tan­te­raka izany izao amin’ireo fandaharana arahan’ny maro isanandro, any anaty fiara sy any am-piasana hatrany am­banivohitra rehetra any. Ha­trany ivelany noho ny teknolojia”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa vonona hatrany hanome ny tsara amin’ireo fandaharana samihafa, mendrika ny mpijery sy ny mpihaino .

Kolo…Kolontsaina malagasy
Nampahatsiahy ny anton’ ny anarana Kolo kosa ny filoha tale jeneraly, Andrianai­na­rivelo Hajo ka nambarany fa nosafidiana izany ho fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy sy ny fanasongadinana ny vokatra eto an-toerana.
“Eo koa ny fanomezana sehatra ireo tanora amin’ny hamaroan’izy ireo mampihodina ny KoloTV/FM hatrany amin’ny faritra. Efa fanamby rahateo izany”, hoy izy. Nan­teriny fa natao ahafantarana kokoa ny kolontsain’ny faritra ny fanitarana natao. Namba­rany koa fa anisan’ny sekolin’ ny haino aman-jery ity orinasan-tserasera ity ka nanofana tanora ary efa maro ireo nisitraka izany ankoatra ireo mbola ho avy.

Tsiahivina fa nankasitrahana tamin’io fotoana io ireo mpiara-miasa amin’ny Kolo TV/FM sy ireo mpiasa miisa valo mianadahy nahatratra 10 taona, ka nosalorana medaly.

Synèse R.

 

Partager sur: