Hadinon’ny tompon-trano ny nanala ny “prise”mitarika ny herinaratra, omaly! Vokany, may ny trano, hotohoto ny entana rehetra teny Antanety Avaratra, Ambohimanarina.
Trano rihana iray kilan’ ny afo tao Ambohimanarina, omaly maraina tamin’ny 9 ora. “Hadino ny nanala ny prise tamin’ny milina fanjaraina ka niteraka ny court-circuit”, hoy ny tompon-trano. Tsy nisy olona tao anatin’ny trano fa nandeha nivarotra ny tompon-trano. Nisy setroka nivoaka tampoka anefa ny trano iray teo akaiky ka taitra ny mpifanolo-bodirindrina. “Tao amin’ny trano fisasana aho no nahare fofona maimboraikina”, hoy i Faratiana Anja, vinanton’ilay ramatoa tompon-trano. Nihidy ny trano. Niezaka namoha izany ireo manodidina ary nikiry hamono ny afo. “Nopitsohanay ny trano ary nitondra bodofotsy hoentina hidirana tao izahay saingy efa nahery ny lelanafo”, hoy hatrany ny vinantony. Nifanindry an-dalana tamin’izany, niantso ny mpamonjy voina hanampy azy ireo, ireto lasibatra ireto.
Efitra telo potika tanteraka
Fianakaviana roa tsy manan-kialofana, taorian’ity firehetana ity. Potika avokoa ny entana noharian’izy ireo amam-polo taonany. Ho an’ny tao ambony rihana niantombohan’ny afo, kila firehitra avokoa ireo fanaka, ny fandriana hatramin’ ny fitaovana mandeha amin’ ny herinaratra toy ny fahitalavitra. Potika koa ny fiharian’ ilay renim-pianakaviana ka anisan’izany ny ny milina fanjarainy. Ankoatr’io, voatery niala tao ambany rihana koa ny ankohonana iray vokatry ny fahapotehan’ny trano ao ambony. “Atahorana hitera-doza ny fahasimban’ny trano ao ambony ka nesorina ny olona mipetraka ao ambany”, araka ny fanamafisan’ny vinanton’ ny tompon-trano. Marihina fa nanampy ireo manodidina nifehy ny afo ny mpamonjy voina. Tsy niitatra, arak’izany, ny afo ka afaka ny fanahian’ ireo mponina amin’ny trano manodidina. Niseholany koa, ny loza nihatra tamina trano tato ho ato. Nisy ireo nirodana noho ny fahanterany tetsy Behoririka, ary anisany ity rava noho ny firehetany ity.
Tsiferana R.