Manodidina ny 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Antananarivo aloha sy mandritra ny fetin’ny Paska. Hiaro sy hiandraikitra ny filaminam-bahoaka izy ireo mandritra izany.
Ho fitandroana ny filaminam-bahoaka mandritra ny fetin’ny Paska. 445 ireo polisy monisipaly hahetsika ary hiandraikitra raharaha maro samihafa eto Antananarivo. Hiatrana manerana ny toerana rehetra izy ireo manomboka rahampitso hatramin’ny 11 avril izao. Tanjona ny hiatrehan’ny mponina ny fetin’ny Paska am-pilaminana.
Hiandraikitra sy hiaro ireo fotodrafitrasa maro samihafa eto anivon’ny tanànan’Antananarivo izy ireo mandritra izany. Anisan’izany, ny fitandroana ny fahadiovan’ny tanàna rehetra. Indrindra ny eny amin’ireo zaridaina sy toerana samihafa natokana ho an’ny besinimaro. Ankoatra izay, handamina, hanara-maso sy hanampy ary hanoro lalana ny olona izy ireo. Hisy azy ireo avokoa ny toeram-pitsangantsaganana malaza rehetra eto Antananarivo.
Tsiahivina fa hosaziana ireo olona mandika lalàna sy tsy manaja fandaminana rehetra mandritra io fe-potoana io. Voakasik’izany ny mpivarotra toaka ankalamanjana tsy nahazo alalana. Hisokatra ny zaridainan’ Ambohijatovo sy Anosy amin’ny fetin’ny Paska, raha ny vaovao voaray. Ahitana azy ireo eny an-toerana ary hisy ny lamina manokana amin’ny fidirana ao.
Mino (mpianatra asa)