MDN : voatendry ho talen’ny kabinetra ny Jly Bearson

Tontosa omaly teny amin’ ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny kabinetra teo aloha, ny Jly Rajaonarivony Alexan­dre sy ny tale vaovao, ny Jly Andrianaivohery Bearson. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nanatanterahana izany. Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafindra­tovo Heritiana niaraka tamin’ ireo tompon’andraikitra am­bony eo anivon’ny minisitera. Nirary soa ho an’ny tale kabinetra vaovao ny mpiasa rehetra eo anivon’ny minisitera sady nisaotra ny tale kabinetra teo aloha. Nanamafy ny fahavononany hanohy hatrany ny ezaka vitan’ny tale teo aloha ny mpandimby toerana azy. Vonona hifanome tanana amin’ny fiaraha-miasa hana­tsarana ny eo anivon’ny minisitera koa ny tale teo aloha. “Ny olona no miova fa ny asa mitohy hatrany”, araka ny nambarany.

Jean Claude

Partager sur: