Manjakandriana : mpanao vola sandoka roa lahy nidoboka am-ponja

Nafangaron’ny olon-dratsy tamin’ny vola tena izy, nampiasainy nividianana kisoa ny vola sandoka. Tra-tehaky ny zandary izy ireo ka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, afakomaly.

Mody nanao trosa vi­dina kisoa, naiditra etsy Antanimora von­jimaika ireo roa lahy na­napa­ritaka vola sandoka tao Ambo­hitran­driamanitra, distrika Man­jakan­driana, afakomaly. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro fi­laminana ny olon-tsotra voasolokin’ireo jiolahy ireo. Nanao trosa ny vidin’ny kisoa ireo olon-dratsy ireo ka naloany ny vola andro vitsy taorian’ny nifanarahana. Mitentina 600 000 Ar ny vidin’ ny kisoa saingy vola sandoka ny 320 000 Ar tamin’ny vola naloan’ireo mpisoloky ireo. Vao maraina mbola maizimaizina izy ireo no nanatitra ny vola. Nony mazava, tsikaritry ny mpivarotra kisoa izany. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny zandary taorian’ny fanadihadiana. Voasam­botra ny lehilahy iray nanaparitaka ny vola. Ankoatr’io, noraisim-potsiny teto an-dRenivo­hitra ny lehilahy iray hafa atidoha nikotrika ny vola sandoka. Natolotra ny fampanoavana izy mirahalahy ireto ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika izao. Tsiahivina, telo lahy koa voasambotra tao Mananjary nahavita vola sandoka mitentina 96 050 000 Ar, ny talata teo.

Tsiferana R.

Partager sur: