Polisy manodidina ny 1 580 indray hisahana ny filaminana eto Analamanga mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka ho avy izao. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, 200 ireo polisy manara-maso eny amin’ireo fiangonana. Ho an’ny Avaradrano indray, 152 ireo polisy hahetsika ka 32 misahana eny amin’ny fiangonana raha 120 manao fisafoana sy fandaminana ny fifamoivoizana. Ho an’ny kaomisaria foibe Atsimondrano kosa 175 ka 65 amin’ireo no manara-maso ny eny amin’ny fiangonana raha 110 manao fisafoana, fandaminana ny fifamoivoizana. Ho an’i Manjakandriana, mbola tafiditra anatin’ny faritra Analamanga, 35 ireo polisy misahana ny fankalazana ny fetin’ny Paka.
Jean Claude