Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tetsy Ampahibe, omaly, ilaina ny firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy ny fanatanterahana ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Ho fanomanana sahady io fety anisan’ny manamarika tantaram-pirenena io, nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fivorian’ny kaomity nasionaly mpikarakara ny fankalazana izany, omaly. Mifototra tamin’ireo zava-bita, hamafisina ireo ezaka teo aloha. Hananterahana ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena, tafiditra anatin’ny taom-pifidiana koa izany. “Mila fitoniana ny vahoaka malagasy hahafahany mifidy ankalalahana izay heveriny hitondra firenena”, hoy ny minisitra. Niatrika ity fivoriana voalohany eo amin’ny kaomity mpikarakara ny fankalazana ny fetim-pirenena (CNTO) ity izy. Filoha vaovao an’io kaomity io ny Jly Joasitera Rollando. Havoitra mandritra ny fivoriana ny paikady hamolavolana sy handrafetana ny fandaharam-potoana miampy ireo hetsika rehetra hankalazana ny faha-63 taonan’ny fahaleovantena.
Hahetsika ny mpitandro filaminana
Ankoatra ny maha fetin’ny foloalindahy ny andron’ny 26 jona, hiara-kiasa hanohy ny ezaka efa notanterahiny ireo ny mpitandro filaminana. Ny Tafika, ny zandarimariam-pirenana ary ny polisy izay samy hanao ny ainy tsy ho zavatra. Efa miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina koa ireo miaramila amin’izao fotoana. Na izany aza, namafisin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa ilaina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanomezam-baovao hisian’ny fiaraha-mientana sy ny filaminana.
Tsiferana R.