Fiteny mahazatra isan-taona rehefa fetin’ny Paka tahaka izao ny hoe fety ieren-doza. Samy manezakezaka avokoa ny ankolafin-kery rehetra misy eto amin’ny firenena manao izay hanatrarana ny tanjona. Torak’izany ny isan-tokantrano, mitady ny fomba hanaovana fety am-pahatsorana sy arakaraka izay ho enti-manana. Tsy misy maharatsy ny fanaovam-pety tokoa, fa mila fifehezan-tena arakaraka ny eo am-pelatanana.
Hanamarika ny paka isika, tsy fety kristianina fotsiny, fa natao hakan’ny sokajin’olona rehetra aina sy saina. Andro, tokony iarahan’ny Malagasy tsy vakivolo mandinika ny lalan-kizorana. Iaraha-mahalala rahateo fa efa miely ny vaovao amin’ny mety hisian’ny hetsika sosialy isan-karazany hanehoana ny tsy fahafaliana amin’izao zava-doza misy eto Madagasikara izao.
Tena lo hatrany ifotony ilay fiarahamonina. Tsy mahagaga, raha mibirioka any amin’ny lalan-tsy izy ny tanora.
Miverina tsikelikely ny fikamban-jaza maditra any Antsiranana. Manao ny ataony ny tanora any Toamasina. Ny eto an-drenivohitra, mampanahy ny fanazavana omen’ny mpitsabo fa mihamaro ny zatovo mirona any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika. Ny tena loza anefa, mampiankin-doha avy hatrany izany, na vao indray mandeha manandrana aza. Vokany, mahita faisana ny zaza madinika, na lahy na vavy amin’ny hafitsoky ny mpanolana. Tsy andrenivohitra fa hatrany ambanivohitra rehetra any.
Mahatsiravina ny zava-miseho, kanefa tsy tokony hatao hahakivy. Marary ilay firenena ka enga anie izany no hazo fijaliana farany ho lanjain’ny vahoaka mialoha ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy maintsy miezaka mizaka ny anjarany ny tsirairay kanefa kosa mila mpamonjy. Iza anefa no antenaina ? Ilay Andriamanitra Andriananahary anefa tsy afaka ny hanampy izay tsy manampy ny tenany. Tsy afaka ny hanolo-tanana izay tsy vonona. Midika izany fa miankina amin’ny Malagasy ny famahana ny olana ho sedraina.
Malalaka ny safidy na hiara-mirona any amin’ny fanarenana ny isam-batanolona, na hiara-mivarina an-kady hanaraka ny onjan’ny fahakiviana. Fotoana izao tsy maintsy hijoroana hanosehana ny fahavalom-bahoaka sy mpambotry firenena. Sanatrian’ny vava hanenjika na hamotika olona fa tsy maintsy mamotika ny foto-kevitra sy fisainana tsy manjary efa volena eto Madagasikara.
Mila fahatsapan-tenan’ny rehetra ny taninjanaka. Mila fiaraha-mientana manohitra ny fanapoizinana faobe ilay foto-pisainana. Izay rahateo no ahafahana mifehy ny zava-misy, ankehitriny. Tsy hiandrasana an-dranona na ranona. Iaraha-mahita rahateo fa ireo milaza azy ho « mpanavotra » sy mpamonjy ny « firenena » dia tsy iza akory fa ry zalahy sy zavavy nampidi-kizo ihany. Sarotra ny raharaha, kanefa ilay finiavana hiainga sy hiala amin’ny fahazaran-dratsy niniana novolena no zava-dehibe.
Paka, andro naharesena ny fahafatesana, hoy ny mpino izany. Inona no olana, aorian’ny alahady? Mino isika fa handalo sy hiala amin’ny Malagasy tsy vakivolo ihany koa ny endri-pamonoana isan-karazany. Hifoha sy hahasahy hijoro amin’ny maha izy azy ny rehetra ka handray an-tanana ny ho avin’ilay Firenena ! Mialoha izay, samia manao fety sambatra avokoa, ho lavitry ny loza !
r.r