Nihena raha mihoatra amin’ny isan-taona ny antontan’ isa vonjimaika voaray teo anivon’ny sampana vonjy taitra sy fameloman’aina ao amin’ ny HJRA, Ampefiloha. Ho an’ny alahady sy ny alatsinainy (hatramin’ny 3 ora tolakandro nandalovana teny an-toerana), 62 ireo olona nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly.
Araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray ao amin’ny sampana vonjy taitra, nihena be izany raha oharina amin’ny fahita isan-taona. Ratra vokatry ny adiady madinika ny 15 amin’ireo miampy ireo olona mamo noho ny fisotroana toaka diso tafahoatra. Ny ambiny kosa ireo olona tapaka lalandra any amin’ny atidoha avokoa (AVC).
Nanamafy ny mpitsabo mpiandry raharaha tao amin’ny hopitaly fa tsy mbola nisy aloha ny olona namoy ny ainy tao anatin’izay fotoana izay (omaly). Tsy nisy ny olona tratran’ny fanampoizinana amin’ny sakafo. “Tena zava-dehibe ny fahitana fa efa manomboka mahay mifety ny Malagasy amin’izao na dia eo ihany aza ireo saonjo iray lohasaha. Misy ireo tonga saina satria fahafinaretana no tadiavina rehefa manao fety toy izao. Satrinay aza tsy hisy olona handalo mihitsy ety amin’ny hopitaly saingy sarotra inoana ihany izany”, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo iray ao amin’ny HJRA. Misy amin’ireo marary kosa no afaka nody taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera.
J.C