Fiaramanidina kely no nianjera teny an-tanimbary, tao Ambalika, kaominina Betsako, distrikan’i Mahajanga II, faritra Boeny, ny sabotsy tolakandro teo, tamin’ny 1 ora sy 30 mn. Voatery nidina haingana namonjy izay toerana malalaka afaka hijanonany ny mpanamorin’ilay fiaramanidina kely satria tratran’ny olana ara-tekinika tampoka teny am-panidinana, araka ny tatitra nampitain’ny zandary.
Tafajanona soa aman-tsara ihany ilay fiaramanidina, nieren-doza ireo olona roa tao anatiny. Voalaza fa Malagasy mpanamory sy Frantsay iray sady mpanamory no tompon’ilay fiaramanidina no tao anatiny. Efa mandeha, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny eo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana ana habakabaka miaraka amin’ny minisiteran’ny Fitaterana ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra.
J.C