“Amin’ny fotoana hahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny amin’ny fokontany no hanaovan’ny olom-pirenena fitsirihana azy, ary manana 20 andro izy amin’izany. Ao anatin’izay fe-potoana izay no hanaovana fanamarihana, fitarainana… Mila manatona biraom-pokontany ny olom-pirenena amin’izany.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy izay hatao anio eny anivon’ny distrika.
Tokony hiara-hijery ny famaranana izay lisitry ny mpifidy izay ka manao sonia izany eny anivon’ny distrika ny rantsamangaikan’ny Ceni, ny avy ny firaisamonina sivily, ny avy amin’ny antoko politika, ny solontenam-panjakana. Efa miakatra eny amin’ny distrika koa ny rantsamangaikana eny amin’ny kaominina, ary mitondra izay lisitry ny mpifidy eny anivon’ny kaominina. Ny avy amin’ny fokontany indray maka ny anjarany any amin’ny kaominina hahazoan’ny olom-pirenena manao fitsirihana.
Tokony ho voaangona ao anatin’izay 20 andro izay ny fitarainana rehetra. Fanitsiana no atao amin’izany. Eo koa ny fanatevenana ny lisitra amin’ireo vao misoratra anarana, izay hatramin’ny 31 mey ny fe-potoana farany.
Entanina hatrany
Manamafy ny fanentanana ny rehetra ny Ceni hanara-maso. Eo ny firaisamonina sivily, ny antoko politika, ny olompirenena hanara-maso tsara ny lisitry ny mpifidy. Satria io no lasa mampifanolana. Tsy tokony hianina fotsiny amin’ny honohono isika, fa mety manimba zavatra izay ary miteraka ahiahy. Tsy misy afa-tsy ny fanaraha-maso no fisorahana ny ahiahy. Toy ny ampahany betsaka eo amin’ny fokontany iray, ohatra, no tsy tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Inona no antony? Fantarina izay fa tsy voatery hoe haratsiam-panahin’ny mpikarakara, fa mety ny olom-pirenena no tsy te hisoratra. Izay no hanentanana izay tsy mbola nisoratra.
“Hahazoana manaporofo ny fisian’ny fangaraharana hajaina sy fahamarinana katsahina ny fanaovana fanaraha-maso ny lisitry ny mpifidy”, hoy izy. Amin’ny 10 jona ny famoahana ny lisi-pifidianana. Alohan’izay, misy fitsirihana farany eo anelanelan’ny 31 mey sy ny 10 jona.
R. Nd.