Nitohy tany Antsohihy, ny faran’ny herinandro teo, ny famelabelarana nataon’ny antoko Malagasy miara-miainga, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. Voaresaka ny momba ny mpiasam-bahoaka miasa eny ifotony. Nambarany fa voalazan’ny Lalàmpanorenana ny mpiasam-panjakana miasa ho amin’ny fampivoarana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. “Ilaina ny fametrahana izany. Tokony atokisana ireo tomponandraiki-panjakana manomboka eny anivon’ny kaominina sy ny faritra, hanampy ireo olom-boafidy”, hoy izy. Tsy ijerena loko politika sy fiaviana izany saingy tokony ho niofana sy nianatra ary natao hanampy ireo olom-boafidy hanatanteraka ny vina.
Mila fandraisana andraikitra sy fahaiza-manao izany. Mahafehy ny raharaham-panjakana, araka ny nambarany. Notsiahiviny, efa nametraka ny fototry ny fitsinjaram-pahefana ny eo anivon’ny MMM ny taona 2009. Napetrany, fony minisitry ny Fitsinjaram-pahefana izy ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (INDL). Nampiofana ireo ben’ny Tanàna sy nizarana traikefa ho an’ny fampandrosoana. Nohamafisiny fa tsy mandeha ny fitsinjaram-pahefana raha tsy omena vola sy ny hoenti-manana ary ny fahalalana ny eny ifotony. Eo koa ny fahaiza-manao mba hahafahana manatanteraka izany
Miantso fanalalahana
Etsy andaniny, naneho ny heviny koa ny filoha nasionalin’ny MMM momba ilay fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany, farany teo. Niantso ny fanjakana ny tenany mba hanaja ny fahalalahana maneho hevitra na an-trano na ankalamanjana. “Tsy atao resabe izany fa mila mamaky Lalàmpanorenana napetrak’izao fitondrana izao isika. Arahana izany mba hipetrahan’ny fitoniana sy ny filaminana”, hoy izy.
Tsiahivina fa efa mahazatra ny MMM ny famelabelaran-kevitra anaty efitrano eny ifotony tahaka izao ary tsy misy ifandraisany amin’ny fepetra napetraky ny fanjakana izany. Niatrika ny fihaonana ireo depiote sy ben’ny Tanàna ary ireo sojabe sy ny tanora ary ny mpianatra.
Synèse R.