Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny olona mitaky ny hanokafan’ny fanjakana indray ny orinasa Base Toliara. Miseho izany hatramin’ny nampihantonana ny tetikasa, nanomboka ny taona 2019. Isan’ny naneho izany, ny fikambanana Toko Bey Telo Tevondrone, tarihin’ny filohany, Hardy Spener, izay nanao fanambarana miezinezina, naneho ny fanohanany ity tetikasa ity, ny herinandro lasa teo, tany Toliara.
Manaraka ny dian’ireo mpomba ny hamerenana ny tetikasa Base Toliara, efa marobe, ihany koa ny mpikambana sy ny olobe ao anatin’ny fikambanana Toko Bey Telo Tevondrone. Nambaran’ny filohany, Hardy Spener, fa ahitana sokajin’olona maro sy samihafa ny mangataka ny hanokafana indray ny fitrandrahana fasimainty any Toliara. Ao anatin’izany ny mponina eny ifotony, ny sefo fokontany, ny ben’ny Tanàna, ny solombavambahoaka, ny loholona, sns.
Tsapan’izy ireo ny lanja ara-toekarena hoentin’ity tetikasa ity, ka tsy afaka ny hitazana fotsiny sy tsy hiteny ny fikambanana Toko Bey Telo Tevondrone. Satria efa hita soritra sy mazava ny fampandrosoana eny fitony sy ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Maro amin’izao no mipetraka any amin’ny faritra fitrandrahana. Tsy miahiahy velively amin’ny lafiny fahasalamana ho an’ny fianakaviana. Taorian’ ny fampahatsiahivana sy ny fampahafantarana nataon’ny Ivontoerana nasionaly ho an’ny siansa sy ny teknolojia nokleary (INSTN), ny volana marsa 2023 farany teo. Tsy misy fiantraikany ho an’ny fahasalaman’ny manodidina sy ny mpiasa ihany koa izany.
Tena sahirana ny distrika Toliara I sy II
Manohana ity tetikasa ity ny Toko Bey Telo Tevondrone, satria hamorona asa, sady hahazo tohana ara-tsosialy rahateo ny mponina. Toy ny fizarana masomboly, ny tohana ho an’ny mpanjono, ny famoronana asa mampidi-bola, ny famatsian-drano fisotro, sns.
Ho azy ireo, hisy aina vao ho an’ny toekarena any Toliara, ho an’ireo kaominina maro voakasiky ny tetikasa, ny fanjakana foibe, satria ho azo tsapain-tanana ny tombontsoa ho azo. Ho afaka manangana fotodrafitrasam-pampandrosoana ny tomponandraikitra eny ifotony, amin’ny alalan’ny haba sy ny tamberim-bidy ho azo, alohan’ny orinasa Base Toliara. Toraka izany koa ny fanjakana, noho ny hetra alohan’ny tetikasa. Voakasik’izany daholo ny distrika Toliara I sy ny kaominina any amin’ny distrika Toliara II, izay tena sahirana tokoa amin’izao fotoana izao.
Njaka Andriantefiarinesy