Antenimierandoholona : mihamafy ny fiaraha-miasa Frantsay sy Malagasy

Nihaona tao amin’ny La­pan’i Luxembourg, tany Paris, ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Antenimieran­doho­lo­na (PS) malagasy, Razafi­ma­hefa Heriniaina, sy ny vondrona loholona frantsay, «naman’i Madagasikara», ta­ri­hin-dRtoa loholona atsy La Réunion, Nassimah Dindar, ny 5 avrily teo. Naneho ny fa­havononany hiara-kiasa amin’i Madagasi­kara, ny loholona avy any amin’ny departemanta sy faritra maromaro (Iles de France, Yvelines, Mor­bihan Bretagne, l’Ain, Bretagne, Côtes d’Ar­mor, Bas-Rhin, La Réunion, Mayotte). Sehatra voakasika ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fanabeazana, ny fanomezan-danja ny fahaiza-manao malagasy. Eo koa, ny harena an-dranomasina, ny fambolena sy ny fiompiana, ny famatsian-drano fisotro, ny rano sy ny fanadiovana, ny tontolo iaiana, ny angovo, sns. Misy ny endriky ny fiaraha- miasa, amin’ny alalan’ny fa­metrahana tanàna mirahavavy.
Nojerena miaraka koa ny hanomanantsika ny fihaonambem-paritra eo amin’ny faritra any Frantsa sy i Madagasikara amin’ny taona 2024. Efa vita sonia ny fifanarahana mikasika azy teo amin’ny filohan’ny loholona malagasy, Razafima­hefa Herimanana sy frantsay, Gérard Larcher. Nisy koa ny fihaonana tamin’ny loholona Rtoa Françoise Gatel, filohan’ny vondron’ny vondrom- paritra sy ny fitsinjaram-pahefana frantsay.
Nanotrona ny filoha PS Malagasy, ny loholona isany, Ndremanjary J. André, Fer­nand Eddie S. ary Manasoa D.Tang.

Njaka A.

Partager sur: