Ranomafana Fianarantsoa: hiampy 64 MW ny famokarana herinaratra

Hampiakarina ho 64MW ny tanjaky ny famokarana herinaratra ao Ranomafana Fianarantsoa. Tontosa ny herinandro lasa teo ny fanaovan-tsonia famatsiam-bola mikasika izany. Nahazoan’ny fanjakana malagasy vola 240 tapirisa dolara Ariary avy amin’ny masoivohon’ Sina. Nanao sonia izany ny ministry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla sy ny ambasadaoron’i Sina, Zhang Wei. Tafiditra ao anatin’ny velirano faha-2 napetraky ny filoham-pirenena ny tetikasa. Tanjona ny hampitomboana avo roa heny ny herin’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara.
Maro ny olana amin’ny lafiny herinaratra eto amintsika. Nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo, fa isan’izany ny fahanterana sy ny fahatsentsenan’ny fantsona mitondra sy mamatsy izany. Isan’ny vahaolana ny fampitomboana ny famokarana.
Nohamafisiny fa ho ampy tsara ny famokarana sy famatsiana herinaratra afaka 3 taona vokatry ny tetikasa. Tsy hisy intsony ny fahatapahana sy ny delestazy amin’izany fotoana izany. Hanampy an’Ande­kaleka, Mandraka, Antelomita ary Ranomafana izany.
Efa mandeha tsara ny famokarana herinaratra fana­mpiny 32 MW ao Andekaleka sy ny 28 MW ao Farahantsana amin’izao fotoana izao. Nam­pitomboana avo roa heny koa ny famokarana azo avy amin’ny masoandro 20W fanampiny ao Ambatolampy tamin’ny 2022.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: