Andriambolamanana Miangola: azo hampiarahana tsara ny tontolo iainana sy ny « cirque »

Tovovavy vao 17 taona monja Rtoa Andriambolamanana Miangola Tifani. Na mbola mpianatra aza, omeny lanja ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fikirakirany ny hetsika ara-dihy sy fanatanjahantena ary talenta (cirque), ao anatin’ny tarika « Mamay Company ». Dinidinika.

Gazety Taratra (*): Inona ny tena ataonareo ao anatin’ny tarika « Mamay Company » ?
Andriambolamanana Miangola Tifani (-) : Ni­forona ny taona 2019 ny tarika, misehatra amin’ny « Cir­que ». Antony nitsanganana ny ho entina hampisongadinana ny talenta ara-javakanto, artistika, ny tanjaka sy ny fanatanjahantena. Fa eo koa ny fanehoana ny fahaiza-mitarika sy ny fitantanana. Samy manana ny manavanana azy avy izahay amin’ireo voalazako ireo, aseho ao anatin’ny « Cirque ». Ny lafiny dihy izao no talentako ao anatin’ny tarika. Misy ny manao tanisa (jonglage), ny fampisehoana tanjaka mirindra, sns. Izany hoe, mifameno izahay. Misy aminay efa nahavita fiofanana manokana, fa misy koa izahay no mamorona.

*Inona ny mampiavaka anareo ?
-Na vitsy aza ny misehatra amin’ny «Cirque» eto Mada­gasikara, mampiavaka anay ny fanomezan-danja ny tontolo iainana. Asongadinay ny maha zava-dehibe ny hikajiana ny zava -boahary ka ifampizaranay amin’ny daholobe izany. Satria azo hampiarahana tsara ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny zavakanto, toy ny « Cirque ».
Isan’izany ny fanodinana ny akora plastika samihafa, toy ny tavoahangy, tavoahangim-panafody (ampiasaina amin’ny « jonglage »), ny taratasy na baoritra, hazo, sns. Akora efa avy nampiasaina no averinay ahodina indray, ho lasa kojakoja na fitaovana ilaina amin’ny « cirque ».

*Ahoana ny fomba fanehoanareo ny lohahevitra voizina ?
– Avoitra amin’ny alalan’ny fihetsika mandritra ny seho ny lohahevitra tiana hampitaina. anisan’ny efa nataonay ny fanentanana mikasika ny Covid-19. Misy koa ny fampisehoana niarahana tamin’ny Alliance Française, ny rafitry ny firenena Mikambana (SNU), sns. Eo koa ny fanentanana any amin’ny hetsika manokana na an’ny olon-tsotra, toy ny mariazy, fety samihafa, sns.
Tsy ampy ny fahatsapan’ny olona ny lanjanay satria tsy tena fantany. Tokony hanana ny toerany, toy ireo mpanakanto mpihira izahay. Na izany aza, miezaka manome ny tsara izahay, mampita ny lanjan’ny tontolo iainana, satria efa iaraha-mahita ny fiovan’ny toetr’andro.

Nanangona : Njaka Andriantefiarinesy

Mpilalao Volley-ball ao amin’ny ekipan’ny zandarimaria GNVB, U-20, ihany koa Andriambolamanana Miangola. Mianatra eny amin’ny oniversite Ankatso, sampana « Chimie » (taona voalohany) sy ao amin’ny Cntemad, sampana « Communication » (taona faharoa).

Partager sur: