Vavatenina : mpivarotra menaka jirofo sandoka voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nivarotra menaka jirofo sandoka tao Nosibe, kaominina Maromitety-Vavatenina, ny andron’ny Paska teo. Nanam­baka olona maro tamin’ny alalan’ny fisandohana ity lehilahy voasambotra ity. Niva­rotra io karazana menaka io izy. Lazainy tamin’izany fa menaka jirofo tena izy ireto amidiny ireto. Efa fanaony, araka izany, ny mitondra io menaka tsy tena izy io ary mitsinjara amin’ireo mpividy. 20 sy 30 litatra no nentiny taloha ka tsy tsikaritry ny olona ny maha sandoka ny menaka. Tamin’io andron’ny Paska io kosa, menaka 120 litatra nokasainy hamidy. Sen­dra olona nahay azy ity farany. Nataon’io mpividy io ny fanamarinana fa sandoka to­koa ny menaka. Niantso mpitandro filaminana izy ka noraisim-potsiny ilay mpisoloky. Niaiky tokoa ity farany fa tena sandoka ny entana amidiny.

Tsiferana R.

Partager sur: