Ditra sa asan-jiolahy tsotr’ izao? Tsy ny any Toamasina ihany fa manao ny ataony koa ny andian-jatovo mahery setra eto an-drenivohitra. Nanamafy ny fisafoana fanaony eny amin’ny lalana Rocade ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo (CSP8) taorian’ny tranga tsy fandriampahalemana miseholany amin’iny lalam-baovao iny. Nahitam-bokany izany satria andian-jatovo mirongo hazo sy kibay no tratra niafina miandry ireo mpandeha an-tongotra rehefa amin’ny hariva, amin’iny lalam-baovao iny. Hanamparan’izy ireo ny asa ratsiny ireo lasibatra. Dimy lahy izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy ka tsy afa-nihetsika intsony. Fantatra tamin’ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy fa anisan’ireo nively “bois rond” sy nanendaka ilay renim-pianakaviana iray teny Ambohimahitsy, niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook” ry zalahy ireto. Nambaran’ny polisy fa 18 taona no zokiny raha 15 taona kosa ny zandriny indrindra amin’izy ireo.
Jean Claude