Manamafy ny minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MMRS) fa tsy azo ekena sy leferina ny fandrobana ny harem-pirenena amin’ny lafiny rehetra. Tratra ny zoma 7 avrily teo, tany amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny vatosoa sarobidy (pierres gemmes), milanja 185,600 kilao.
Anisan’ny fepetra noraisin’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, hatramin’ny nandraisany ny andraikiny, ny tsy maintsy hanatrehan’ny fitantanana iraisam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany (DIRMRS) ny fanaraha-maso. Ao anatin’izany ny manatri-maso ny fitsirihana sy manamarina eny ifotony ny vato rehetra haondrana any ivelany, mandritra ny fampidirana azy ireny ao anaty kaontenera eny amin’ny seranan-tsambo.
Koa, tamin’izany no nahatraran’ny DIRMRS Mahajanga, miasa eny amin’ny seranan-tsambo, ireo vatosoa indostrialy ireo. Natao tanaty fonosana plastika miisa 57 ireo vato sarobidy saika haondrana niaraka tamin’ny vatosoa tsotra indostrialy.
Vatosoa nahitana safira, béryl, rubis, émeraude, ny ankamaroany. Napetraka avy hatrany ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara any Mahajanga ireo vatosoa tratra ireo, mba ho azo antoka ny fiarovana azy.
Natao tanaty fonosana plastika 57
Nafindra tany amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara moa ireo vato ireo mba hiarovana azy.
Vatosoa sy vato sarobidy na «pierres gemmes» toy ny saphir, béryl, rubis, émeraude ny ankabeazany, araka ny fahitan’ny teknisiana azy ; saingy tsara hatrany ny manamarika fa ny eo anivon’ny Laboratoire ihany no afaka manamarina sy mamantatra izay tena karazana sy
kalitaon’ny vato toy itony (expertise). Milanja 185,600 kg ny fitambaran’ireo vato ireo, izay natao anaty fonosana “sachets” miisa 57. Manao ny fanadihadiana ireo olona voatazona, ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany.
Njaka A.