Herinandron’ny fifandraisan-davitra : tsy mitsaha-mikaroka ny mpianatra eny Vontovorona

Nanomboka omaly, teny amin’ny Sekoly ambony mi­kasika ny Polyteknika Von­to­vorona, ny «Herinandron’ ny fifandraisan-davitra», karakarain’ny Vondron’ny mpianatra amin’ny fifandraisan-davitra (GET). Anisan’ ny mpiara-miombon’antoka ma­nohana azy ny orinasa Von­dro­na Axian sy ny Tel­ma.

Maromaro ny hetsika ha­namarihana izany. Nisy ny famelabelaran-kevitra, omaly maraina, nampahafantarana ny orinasa Axian sy ny Telma. Nilaza ny mpitondra tenin’ny GET, Razandrinilaina Cédric fa tombondahiny lehibe ho an’ny mpianatra ity hetsika ity. Satria ho fantatr’izy ireo bebe kokoa ny mikasika ny orinasa amin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra, ny ton­tolon’ny asa. Eo koa ny hahafahana mivelatra amin’ ny lafiny fikarohana amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny fivoaran’ny teknolojia sy mampiroborobo izany. «Tena ilainay tokoa izany, sa­tria tafiditra ao anatin’ny fianaranay ny fikarohana sy ny famoronana», hoy ihany izy.
Nanohana ny mpianatra hatrany ny Telma
Nambaran-dRtoa Randria­mam­pionona Iombonana, in­jeniera amin’ny fifandraisan-davitra ao amin’ny Telma, fa nanohana hatrany ny mpia­na­tra eny Vontovorona hatramin’ izay izy ireo. Toy ny fandraisana mpiana-draharaha manomboka amin’ny kilasy taona voalohany hatramin’ny fahadimy. Amin’ity hetsika «Heri­nan­dron’ny fifandraisan-davitra» ity, misy ny fi­faninanana karakarain’ny Telma, hahazoana loka maro samihafa. Iantohana koa ny fampiasana tambajotra internet mandritra ny herinandro, hisitrahan’ny mpianatra ny fikirakirana sy ny fikarohana mikasika ny tontolon’ny teknolojian’ny informatika sy ny niomerika.
Anisan’ny orinasa iraisam-pirenena matanjaka eto Madagasikara sy aty Afrika ny vondrona Axian. Sehatra dimy no sahaniny. Ny fifandraisan-davitra amin’ny alalan’ny orinasa Telma sy ny MVola, ny angovo (Jovena…), ny tontolon’ny trano fonenana, ny fitantanana sy ny famoronana orinasa, ny sehatra ara-bola sy ny banky (BNI, …)

Njaka A.

Partager sur: