Taorian’ny loharanom-baovao azo, nitsirika teny ifotony ny Ben’ny Ala ao amin’ ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny ala (Dredd) Diana, tany Ankerika, fokontany Ankazomibaboka, kaominina Sakamamy, disitrika Antsiranana II, ny 8 avrily teo. Niaraka taminy koa ny zandarimaria avy any Sakaramy sy ny sefo fokontany.
Voamarina fa nisy ny famotehana ny ala ary efa voatazona vonjimaika ireo olona ahiana ho nanao izany hohadihadiana.
Efa nisy trangana fanimbana ala toy izao koa tany an-toerana, ny oktobra 2022 sy ny marsa 2023 teo. Koa izao nandraisana fepetra hentitra izao.
Njaka A.