Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) – Ady totohondry: hanomboka ny volana mey ny fampivondronana

Mandra-piandry ny fampivondronana ataon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, nanapa-kevitra ny filohan’ny Comité d’organisation de boxe malagasy (COBM), Raba­risoa Hery Mamy, fa hanomboka ny 2 ka hatramin’ny 14 mey ny fitiliana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena mala­gasy, taranja ady totohondry. Hatao ao amin’ny ANS Am­pe­filoha izany. Hahatratra 100 ireo mpikatroka hiatrika ity fampivondronana andiany voalohany ity, ka 53 ny lehi­lahy ary 47 ny vehivavy.
Nambaran’ny filohan’ny COBM fa 4 isan-tsokajy no horaisina, dia roa mendrika miampy ireo efa tompondakan’ i Madagasikara. Mametraka olana ny sokajin-danja mavesatra satria vitsy ireo maha­feno izany +75 ; +81 ; +91 kg izany, na eo amin’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy ka 2 ihany no horaisina.
Tsiahivina fa volan’ny COBM ny miantoka izao fa­nomanantena izao, izay manao ny ainy tsy ho zavatra satria anisan’ireo taranja mitondra medaly amin’ny lalaon’ny Nosy hatrany ny ady totohondry. Hentitra ny filohan’ny COBM amin’ny fanazaran­tena sy ny fitondrantenan’ny atleta sy ny mpanazatra ary ireo mpitsara ka alefa mody avy hatrany izay tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana satria vokatra no ilaina. Miavaka ny hitondrana ny fampivondronana, amin’ity. Samihafa ny mpanazatra ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Toy izany koa ny manao ny teknika sy ny tanjaka ary ny “sac de frappe” sy ny “patte”.
Nitondran-dRabarisoa Hery Mamy fanazavana koa fa tsy misy intsony ny federasiona iraisam-pirenena, noho ny sazy nomen’ny komity olympika iraisam-pirenena (CIO), ka foana toy izany koa ireo rantsamangaika rehetra eo ambaniny toy ny federa­siona malagasy, ny ligy ary ny seksiona. Izay no nanoloana azy ho Comité d’organisation de boxe malagasy, notendren’ ny komity olympika malagasy (COM), misahana izany, mandra-piverin’ny fankatoavana iraisam-pirenena indray.

Torcelin

Partager sur: