Niara-niombom-peo ny Fikambanan’ny Terak’Androy eto Madagasikara (Fiteam) manoloana ny herisetra nataon’ireo zandary tamina raiamandreny sady lehiben’ny andrimasom-pokonolona ao Amboasary Atsimo, ny 1 marsa 2023 teo.
Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, no nanamafisan’izy ireo izany. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpikambana, Mbola Mamonjisoa Jean Chrysostôme, tamin’io fotoana io tao amin’ny kaominina Mahaly, distrikan’Amboasary Atsimo, misy toeram-pitrandrahana iray ao amin’ny fokontany Andaza. Mpandraharaha misehatra amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany i Mahalova sady lehiben’ny andrimasom-pokonolona ao Amboasary Atsimo. Ny faran’ ny volana febroary, nisy fanafihan-jiolahy tao Andaza ka isan’ny voatafika tao ny lehilahy iray niaraka tamin’ny sakaizany. Nisy olona iray hafa anefa voatonontonona tamin’ity raharaha ity ka nosamborin’ny zandary. Nivadika anefa ny raharaha taty aoriana satria isan’ireo voasaringotra tamin’izany koa i Mahalova izay notondroin’
ilay lehilahy voatafika fa nanao fakana an-keriny ny vadiny tao Andaza. Tonga ny zandary avy ao amin’ny kaompania Ambovombe sy Amboasary Atsimo naka sady nitifitra azy tamin’ny fomba feno habibiana, araka ny fanazavan’ny Fiteam. “Nentin’ ireo zandary ny fiara niaraka tamin’ny vola 4 tapitrisa Ar sy vangovango volafotsy”, hoy ny fanazavana. Nitondra fanazavana anefa ny zandary fa raharaha fakana an-keriny sy fifampitifirana tamin’ny zandary no antony nanenjehana ity niharam-boina ity. “Izany no mahatonga anay miakatra aty an-drenivohitra mitaraina amin’ny mpitondra fanjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity satria mampalahelo ny ataon’ireo zandary. Mamono olona fahatany izy ireo satria raiamandreny hajain’ny fiarahamonina ao Amboasary Atsimo io maty voatifitra io ary tsy mbola nanao fakana an-keriny izany”, hoy ny Fiteam. Nohamafisin’ireo mpikambana fa tsy manaiky ny zavatra nataon’ny zandary izy ireo fa tokony hatao fanadihadiana aloha.
Jean Claude