Noraisim-potsiny teo am-pidorohana rongony ny lehilahy iray anatin’ny tanàna Maroala, kaominina Antanimasaka, distrikan’i Marovoay, ny 11 avrily teo. Sendra nanao fisafoana ny zandary kinanjo nahita azy tsy nihafahafa nidoroka zava-mahadomelina. Nosavaina, arak’izany, ny trano fonenan’io lehilahy io. Tratra tao ny rongony roa gony mahatratra 28 kg. Nentin’ny zandary nogiazana ireto entana ireto. Natao fanadihadiana kosa ilay nahatrarana azy. Nokasainy hamidy an-tsinjarany ireto rongony sarona tao aminy ireto. Marihina, mampirongatra ny tsy fandriampahalemana an-dRenivohitra hatrany Ambanivohitra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
Tsiferana R.