Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny dahalo iray anisan’ireo nandray anjara tamin’ny halatra omby tao Ambaiboho, fokontany Ambatomikatraka, kaominina Anjoman’Akona, afakomaly. Nangalatra omby miisa 12 tao amin’io tanàna io izy sy ny namany. Nanara-dia ny fokonolona ka maty voatifitr’ireo dahalo ny telo. Nanao fanadihadiana ny zandary. Lehilahy iray tsy lavitra ny tanàna ihany ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Nihazo ny toerana voatondro ho misy io dahalo io ny zandary. Nirifatra avy hatrany anefa ity dahalo ity. Raikitra ny fifanenjehana ka maty voatifitra ity farany.
Tsiferana R.