“Tsy ny fanehoan-kevitra no anaovana fihibohana. Mampirisika ny rehetra handa an’izany izahay, satria mihemotra be ny demokrasiantsika”, hoy ny mpandrindra nasioanalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, omaly, manoloana ny fepetra tsy fahazoana manao famoriam-bahaoka ankalamanjana. Aminy, anjaran’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro filaminana ny mijery izay olona mihoa-pefy, fa tsy fandraisana fepetra ho an’ny rehetra no atao. Ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy an’izany no ambony indrindra, mamela ny rehetra haneho hevitra na anaty trano na eny ankalamanjana. Any amin’ny toerana heverina fa tsy manohintohina ny filaminam-bahoaka izany. Nahoana no fihibohana no atao?
Misy mizana tsindrin’ila
“Iza no tena manakorontana eto amin’izao fotoana izao?”, hoy izy. Tsy mijery ve ry zareo fa ny fomba fanaovan-dry zareo ny fitanana ny filaminana no manakorontana ny vahoaka? Misy mizana tsindrin’ila eto. Taiza ry zareo nanomboka febroary sy marsa 2018? Nisy nitety an’i Madagasikara naneho fanehoan-kevitra mba tsy holazaina hoe fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Maninona ny
amin’izao fotoana izao no sakanana? Tokony halefa hijery izay manakorontana famoriam-bahoaka ny mpitandro filaminana. “Mba mianatra ny demokrasia any andafy isika”, hoy ihany izy.
Miantso ny antoko politika ny Ceni hanampy amin’ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Satria ambany ny tahan’ny olom-pirenena mavitrika amin’ny fisoratana anarana, ankoatra ny fahadisoana. Tsy misy lalàna momba ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra eto Madagasikara. Maninona no tsy niteny ny tomponandraikitra tamin’ny fotoan’androny?
R. Nd.