Ceni : Maro ireo tsy manana karapanondro

“Ny lafiny karapanondrom-pirenena no olana vokatry ny fihaonana tamin’ny rantsamangaika ety”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianari­sedo Dama Arsène, tany Ma­nakara, omaly. Tena mbola maro ny olona tsy manana karapanondro. Misy manana laharana fa tsy manana karapanondro. Mila hatao izay fomba hananan’ireny olona ireny karapanondro hahazoany mandray anjara amin’ny fifidianana. Mila ezaka izay ary hanamora ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Atitany ny Ceni amin’izay fomba hahazoan’ny olom-pirenena karapanondro izay. Hifampiresaka ny amin’izany ry zareo.

Lisitra azo antoka sy itokisana no tanjona
Anton’ny famaranana von­jimaika ny lisitry ny mpifidy ny fanaovana fanamarinana raha tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy tamin’ny fisoratana anarana nataony ny olom-pirenena ary tsy misy diso ny momba azy. Antony faharoa, misy ireo olona tsy tokony ho anatin’ny lisitry ny mpifidy nefa mbola tafiditra ihany. Singanina manokana amin’izany ny ankizy tsy ampy taona, ohatra, ny olona efa nodimandry… Natao koa ny famaranana vonjimaika fa resaka mandeha ny hoe misy anarana miverimberina. Hita eny anivon’ny distrika izay anarana miverina indroa na intelo. Natao izany rehetra izany mba hananana lisitry ny mpifidy azo antoka sy azo itokisana.

R. Nd.

Partager sur: