Sosialim-bahoaka sy fifidianana; raikitra ny fidinana ifotony, fakan- kevitry ny FFKM

Tsy an-kiandriandry fa arahina asa. Efa niroso amin’ny fidinana ifotony ho amin’ny fakan-kevitra ny eo anivon’ny FFKM, ankehitriny.

Niainga amin’ny efa nambaran’ireo filoham-piangonana taorian’ny fikaonandoha nokarakaraina teny Ilafy, ny faran’ny volana marsa teo, izao ary efa fanohizana izany avy hatrany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa efa voarindra sy voalamina avokoa miainga any amin’ny komity foibe izao fakan-kevitra eny ifotony izao. “Horaisina avokoa ireo hevitra rehetra na fitarainana avy amin’ny olom-pirenena na sehatra samihafa any an-toerana. Efa nahazo ny torolalana avy amin’ireo filoham-piangonana avokoa ireo hanatanteraka izany. Hifan­toka bebe kokoa eo amin’ny olana sosialy sy ny fanomanana ary koa ny fikarakarana ny fifidianana izany fakan-kevitra izany”, hoy ihany ny loharanom-baovao.
Haharitra iray volana ma­hery izany fidinanana ifotony ho amin’ny fihainoana ny hetahetaha sy ny olana any anivon’ny faritra izany. Hi­tohy amin’ny fandravonana ny dingana manaraka ka hanomboka ny 31 mey indray izany.
Anisan’ny hevitra lasitra iaingana amin’ny fikaonandoham-pirenena hotarihin’ny FFKM miaraka amin’ireo filoham-piangonana ny hevitra voaravona amin’izany. Io ilay fihaonambe iantsoan’izy ireo ny zanany ho amin’ny “Fano­renam-pirenena”.

Synèse R.

Partager sur: