Avy nitifitra tompon-trano : dahalo iray maty voatifitry ny polisy

Tokantrano iray niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Soahevana, fokontany Soafandry, kaominina ambanivohitr’Anjoma, distrikan’i Manandriana, afakomaly maraina. Nanohitra ireo mpanafika anefa ny tompon-trano ka norarafan’izy ireo ny tifitra variraraka, maty tsy tra-drano. Nitsoaka ireo dahalo ka tsy nahazo na inona na inona tao amin’ity trano notafihina ity. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona nampian’ny polisy avy ao amin’ny CSP Manandriana ka tratra tao Antsiho, fokontany Andohanimanandriana Anjoma ireo malaso. Nisy, araka izany, ny fifandonana mahery vaika ka maty voatifitra ny iray tamin’ireo dahalo. Tafaporitsaka kosa ireo namany niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Mandeha, araka izany, ny fikarohana ataon’ny polisy.

J.C

Partager sur: