Betongolo : maharitra iray volana ny fitsarana miaramila

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Kianja Betongolo, ny fotoam-pitsarana miaramila ho an’ny taona 2023, tanterahin’ny Fita­le­avan’ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Na­nokatra izany ny sekretera je­neralin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena, ny Jly Ra­masy Razafindratovo Heritiana niaraka tamin’ireo mpiara-mi­asa aminy. Nanka­sitraka ny fahatongavan’ireo tanora maro teny an-toerana izy, izay mitory ny fitiavan-tanindrazana amin’ny famitana ny adidy amin’ny firenena. Araka ny lalàna, manana adidy hiatrika ny fitsarana miaramila ny olom-pirenena rehetra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasi­kara. Voakasik’izany ny zatovolahy sy ny zatovovavy 19 taona hatramin’ny 31 taona. Ho an’ity taona 2023 ity, ireo teraka teo anelanelan’ny 1 janoary 1992 ka hatramin’ny 31 de­sambra 2004 no afaka ma­natanteraka izany. Nohama­fisin’ireo tompon’andraikitra fa tsy anavahana saranga izy ity fa afaka manao izany avokoa ny olom-pirenena rehetra izay mahafeno fepetra. Ani­san’izany ireo olona manana kilema, mitaiza kely, mitondra vohoka izay maro no tonga teny an-toerana. Manomboka amin’ny 6 ora sy 30 mn maraina hatramin’ny 3 ora hariva ny fitsarana miaramila, ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Ma­ri­hina fa haharitra hatramin’ ny 30 avrily ny fitsaranami­aramila ho an’Anta­nana­rivo. Aorian’izay no miantomboka ny any amin’ny faritra hafa izay hifarana ny 30 jona 2023.

Jean Claude

Partager sur: