Hotanterahina ao amin’ny Stade National des Heros ao Lusaka, Zambie, ny 19 ka hatramin’ny 23 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma, sokajy zandriny «cadet» sy «junior». Manana solontena efatra mianadahy amin’izany ny Malagasy saingy hatreto mbola baraingo ny ho fandraisana anjaran’izy ireo. Tsy mbola nanome teny mantsy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny amin’ny fiatrehana izany, izay izy ireo no miantoka ny tapakila handehanan’ireo atleta. Ny federasiona, efa nanao ny fisoratana anarana tany amin’ny Kaonfederasiona afrikanina.
Raha ny tokony ho izy, hanainga amin’ny faran’ity herinandro ity ny delegasiona malagasy. 2 lahy sy 2 vavy ny hiatrika izany fifaninanana afrikanina izany ka ny halavirana 100 m avokoa no hifaninanana. Rafarasoa Mialy Tiana, avy amin’ny TAF Analamanga sy Razaiarisoa Marie Séraphine, atletan’ny Ascut Atsinanana ho an’ny “cadette”.
Rakotoarisoa Norbert Orlando, Ascut Atsinanana eo amin’ny sokajy “cadet” ary Zatovo Jean Ferrier, atletan’ny AJAT Atsimo Andrefana ny an’ny “junior”. Raha tsiahivina, izy ireo no nahazo ny fe-potoana tsara indrindra taorian’ny fifantenana nataon’ny ekipa teknikan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), ny volana febroary lasa teo.
12 s 9% ny an’i Mialy Tiana raha 12 s 8% ny an’i Seraphine. Latsaky ny 11 s ny fe-potoana vitan’i Jean Ferrier. Tontosany tao anatin’ny 10 s 9%, izany. 12 s 8% no nahavitan’i Orlande ny 100 m, nandritra io fifantenana io. Manoman-tena hatrany izy efatra mianadahy ary manantena fa hiatrika ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity.
Tompondaka