Fandriampahalemana : hamongotra ny asan-jiolahy ny hetsika « Tselatra »

Nosantarina ao amin’ireo ZDS dimy voasokajy ho faritra mena ny hetsika “Tselatra” ataon’ny Tafika, anatin’ny volana maromaro. Sorohana anatin’io fotoana io ny tranga tsy fandriampahalemana rehetra hahafahan’ny vahoaka mivelona am-pilaminana.

Nanomboka roa herinandro, am-perinasa ary hamongotra ny jiolahy sy ireo manohintohina ny fandriampahalemana ny hetsika “Tselatra” ataon’ny eo anivon’ny Tafika, nanomboka ny 1 avrily teo. Fari-piarovana (ZDS) 10 manerana ny Nosy no hanatontosana ity he­tsika ity. Nampitomboina ny isan’ireo miaramila eny an-kianja. Roa herinandro nisian’ny hetsika, efa nahitam-bokany sahady izany. Anisany ny nahalavoana jiolahy tao Mampikony, ny 9 avrily teo. Nifanehatra tamin’ny miaramila nanao fisafoana alina io mpamaky trano io. Na izany aza, nisy ny miaramila namoy ny ainy toy ilay kaporaly tao Morondava. “Laharam-pahamehana ny fametrahana ny paikady sy filaminana maharitra ho fanatanterahana ny fampandrosoana ny sosialy sy ny toekarem-pirenena”, hoy ny lehiben’ny Etamazao­ron’ ny Tafika, Jly Sahivelo Mon­ja, omaly. Ankoatra io, hiditra amin’ny fotoam-pifidianana ny firenena, mandray andraikitra amin’ny fandriampahalemana hahafahan’ny vahoaka mifidy an-kalalahana koa ny miaramila. Ho fanaraha-maso, hidina ifotony eny amin’ireo toerana mafana rehetra izy ireo. Manampy ny vahoaka amin’ny fiatrehany ny andavanandrom-piainana amin’ny alalan’ny «Actions civilo-militaire». Nanomboka ny volana avrily, tontosaina mandritra ny fifidianana ary aorian’izany ity hetsika ity. Miara-miasa manatanteraka izany, ny Tafika, ny zandary ary ny polisy. Mandrindra ny hetsika ny Centre des Opé­rations Interarmées (COIA).

Tsiferana R.

Partager sur: