Mihava Tour tany Andapa : nihaino ny olan’ny vahoaka ny depiote Siteny

Nihaino ny feon’ireo vahoakan’ny faritra Sava koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny amin’ny alalan’ilay hetsika « Mihava Tour ». Tany Andapa izy ireo, omaly, niaraka amin’ireo depiote maromaro.

Notanisain’ireo olona nitafa mivantana taminy ny olana eo amin’ny lavanila, ny tsy fandriampahalemana, ny fanabeazana, ny fihanaky ny kolikoly. “Aza ampanantenana ny tsy ho vita ny vahoaka… Tsy tokony hidina intsony fa hiakatra hatrany ny vidin’ny lavanila… Ny fatiantoka manginy fotsiny… Mitaky ny hananganana orinasa hiasana izahay tanora, indrindra ireo manana dip­laoma”, hoy ny sasany amin’izy ireo. Nangatahan’ireo vahoaka koa ny hanampiana ireo misehatra amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana. Eo koa ny fitanisana ny olan’ny fiainana andavanandro, toy ny fiakaran’ny vidim-piainana.

Namaly izany ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ka nanambara fa takiana ny hanalalahana ny sehatry ny lavanila fa hivaha avokoa ny olana.
Aoka tsy ho voafitaka intsony
Nanteriny fa mila anontaniana ny maharary azy ny vahoaka. Tsy programa ampidinina fotsiny ny antsika fa mifampihaino, araka ny nambarany. Notsiahiviny indray fa ny 2% ihany ny vola ho amin’ny fitsinjaram-pahefana.
Maherin’ny 50 taona ny tsy nampiharana izany fampandrosoana miainga eny ifotony izany, araka ny nambarany. “Any Antananarivo ny mpanapa-kevitra momba ny vola ho an’ny kaominina… Aoka tsy ho voafitaka intsony isika”, hoy izy.
Efa nivoitra sahady tamin’ireo fangatahan’ny vahoaka ny hirotsahan’ny mpitarika ny “Mihava Tour” ho kandidà filoham-pirenena. Namaly ny tenany fa hanao fanambarana ny amin’ny hilatsahany na tsia amin’ny famoahan’ny fanjakana ny daty hanaovana ny fifidianana.
Hitohy any Sambava sy Antalaha ary Vohémar izao “Mihava Tour” izao.

Synèse R.

Partager sur: