Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fahadimy taonan’ny antoko Hiaraka isika ny hetsika fanaovana asa sosialy. Anisan’izany ny nanatanterahana ny “Tagnamaro – fafa faobe” sy ny fandokoa , nataon’izy ireo teo amin’ny lalana “Ambroise Vital”, miainga avy eo amin’ny zandarimaria Sanfily mankany amin’ny lalana mihazo ny Jirama. Nitarika izany ny filoha nasionalin’ny antoko Hiaraka isika, ny Jly Camille Vital. Efa nialohavan’ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo izany ka natao tany amin’ny kaominina Andranovory, Toliara II. Tonga marobe tamin’izany ireo mpikambana sy ny eo anivon’ny birao nasionaly. Maherin’ny 20 000 ireo zanakazo novolena amin’ny velaran-tany 2ha.
Hitohy amin’ny kongresy nasionaly izany ka handinihana ny raharaha anatin’ny antoko. Eo koa anefa ny hanaovan’ny Hiaraka isika fanambarana ny hevitr’izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo fifidianana isan’ambaratongany.
Synèse R.