“Jadona raha tsy afa-maneho hevitra ny tsirairay. Tsy tena fanehoan-kevitra no voizin’ny antoko manao famoriam-bahoaka, fa fanentanana hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Fiombonana, Retogniane Durlin. Eo koa ny fampahatsiahivana an’ireo nisoratra anarana hanamarina ny anarany. Tanjon’ny Ceni ny mpifidy voasoratra anarana 13 tapitrisa. Tsy ho tratra izany raha tsy misy fanentanan’ny mpisehatra politika.
Ny olana: misy ny fahatahoran’ny fitondrana an’ireo mpisehatra politika mieritreritra hirotsa-kofidina, na tsy mbola nanambarana izany aza ry zareo. “Izay no mety manosika azy hanao an’ireny fanambarana ireny hoe tsy azo atao ny manao famoriam-bahoaka ankalamanjana. Akory ny hagagantsika fa lasa nanome lesona ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny ambasadaoro vitsivitsy miaraka amin’ny vondrona eoropeanina”, hoy izy.
Fanalana an-daharana kandidà ny fanaovana famoriam-bahoaka anaty efitrano. Tsy ny kandidà na antoko politika rehetra no afa-kanofa trano. Voafetra koa ireo afa-manatrika izany. “Maninona no tsy atao anaty efitrano koa ny fitokanana zava-bita, raha tsy mahazo mamory ankalamanjana ny tsirairay?”, hoy ihany izy.
R. Nd.