Nanamafy fahaiza-manao ireo mpikaroka ao amin’ny Insitut malagasy des vaccins vétérinaires (IMVaVet) sy ny Centre national de recherche pharmaceutique (Cnarp) tamin’ity herinandro ity tao amin’ny efitranon’ny IMVaVet.
Tanjona ny hanentana sy hanamafy fahalalana ho an’ ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy, momba ny fananana indostrialy, amin’ny lafiny haivao teknolojika sy ny fomba fiasa kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara. Ao anatin’izany indrindra ny fanamafisana fahaizana eo amin’ny lafiny “propriété intellectuelle” satria mila arovana ny valim-pikarohana ka nohazavaina avokoa ny lalàna rehetra mifandraika amin’ny fiarovana. Nasaina manokana ny Office malgache de la propriété industrielle (Omapi) sy ny Centre d’Appui à la Technologie et à l’Innovation (CATI) eo amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany.
Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanatanterahana ny fikarohana sy ny haivao eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fanamafisana fahaiza-manao. Nanatontosa ny fifampizarana ny fitaleavana momba ny Fikarohana sy ny haivao sy ny fitaleavana ankapobeny momba ny Fikarohana ara-tsiansa ary ny fitaleavana ankapobeny momba ny Fampianarana ambony. Hisitraka ity fanamafisana fahaiza-manao ity ireo ivontoeram-pikarohana sy ny écoles doctorales manerana ny Nosy.
Efa nisitraka ny anjarany ny tao amin’ny Parc botanique et zoologique de Tsimbazaza.
Vonjy