Fiaraha-miasa : kaominina mpirahavavy i Linden sy Andoharanofotsy

Natao ny alarobia teo ny sonia fifanarahana amin’ny maha mpirahavavy ny kaominina Andoharanofotsy tarihin’ny ben’ny Tanàna Rakotoarimanana Henin­tsoa, sy ny kaominina Linden any Nex Jersey, tarihin’ny ben’ny Tanàna Derek Arms­tead.
Tamin’ny 16 marsa lasa teo no nankatoavin’ny ben’ ny Tanàna roa tonta io fiaraha-miasa iraisam-pirenena io. Hanomboka tsy ho ela ny asa iombonan’izy ireo.
Marolafy ny fitovian’ny kaominina Linden sy Ando­haranofotsy. Anisan’izany ny isan’ny mponina sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao ka manamafy ny fifandraisana ofisialy eo amin’ny roa tonta amin’ny maha-kaominina mpiraharavavy azy.
Nanotrona ny fifanaovan-tsonia ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny ma­soivoho amerikanina, Tobias Glucksman.
Mikendry ny hampiroborobo ny fizahantany sy ny zavakanto ary ny fanabeazana eo amin’ny kaominina roa tonta ny fifanarahana natao. Hojerena ny fiaraha-miasa azo hatao, handefasana mpianatra avy ao amin’ny kaominina sy firenena ankilany hianatra any amin’ny kaominina sy firenena andaniny.

Tatiana A

Partager sur: