Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny ala-robia lasa teo, ny fanamboarana ny tetibola anatin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy ampahany halefa amin’ny fampitaovana ireo «scanners» sivy homena an’i Maroantsetra, Mandritsara, Fenoarivo Atsinanana, Morondava, Taolagnaro, Nosy-Be, Manakara, Sambava ary Ambatondrazaka.
Hisy koa ampaham-bola hatokana amin’ny fanamboarana sy fiarovana ireo toerana hametrahana “scanners” any Fenoarivo Atsinanana, Taolagnaro, Nosy Be, Sambava ary Ambatondrazaka.
Ho an’ireo faritra tsy manana toerana handraisana ireo scanners ireo kosa ny hopitaly ao an- toerana, hisy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao. Ao Morondava sy Mandritsara,ohatra, efa misy trano fa tsy maintsy hasiam- panavaozana ahafahana mandray ny fitaovana.
Ho an’ny ambiny, mila hampidirana jiro sy hasiana fitaovana ara-informatika sy kojakoja ilaina amin’ny birao, hahafahana mampihodina ny toerana handraisana ireo marary mila fitiliana amin’ny alalan’ny “scanners”. Tsy voatery handeha amin’ny tanàn-dehibe intsony ny vahoaka rehefa mila fitarafana.
Asiana fitaovana ny CSB 100
Nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra koa ny fanamboarana ny teti-bola anatin’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanokanana ampaham-bola halefa amin’ ny fividianana fitaovana ara-pitsaboana sy kojakoja ilaina amin’ny birao. Ho an’ireo CSB miisa 100 efa vita fanamboarana nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty izy io.
Vonjy