Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy 2023 sy ny lalaon’ny firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie”, hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy mandritra ny fifaninanana N1A, lahy sy vavy.
Hotanterahina any amin’ ny kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny 15-23 avrily ho avy izao, ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety 2023, ho an’ny sokajy N1A lahy sy N1A vavy. Natao hifantenana mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena hanao ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny volana aogositra ho avy izao, ny N1A lehilahy, raha toa ka hitiliana ireo Ankoay vehivavy hanao ny lalaon’ny firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie” ny N1A vavy.
Manana solontena efatra ny ligin’Analamanga, anisan’izany ny klioban’ny Cosfa sy ny Cospn ho an’ny lehilahy, raha toa ka ny MB2All sy ny GNBC ny an’ny vehivavy. Ankoatra ireo ekipa avy aty Analamanga, mandray anjara ihany koa ny klioba avy any Atsinanana, Boeny, Betsiboka, Itasy, Amoron’i Mania, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony. Marihina fa karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety sy ny ligin’i Vakinankaratra ity fifanintsanana ity.
Fitia (Mpianatra asa)
Fandaharan-dalao ny N1A :
18/04/2023
Lehilahy (H)
2 ora : BCB Boeny vs ASB Itasy
4 ora : Cosfa Analamanga vs Cospn Analamanga
6 ora : TGBC Betsiboka vs SBC Vakinankaratra
19/04/2023
Vehivavy (D)
10 ora : Fandrasa Matsiatra Ambony vs JEA Vakinankaratra
1 ora : Ascut Antsinanana vs TGBC Betsiboka
2 ora sasany : Tamifa Amoron’i Mania vs MB2All Analamanga
4 ora sy fefany : GNBC Analamanga vs Phoenix Vakinankaratra
20/04/2023
(D)
8 ora 30 : Ankaratra Vakinankaratra vs Phoenix
9 ora : Serasera Vakinankaratra vs MB2ALL
10 ora sy fefany : GNBC vs TGBC
12 ora : Ascut vs JEA Vakinankaratra
(H)
2 ora : Cospn vs BCB Boeny
4 ora : TGBC vs ASB
6 ora : SBC vs Cosfa
21/04/2023
(D)
8 ora 30 : Tamifa Amoron’i Mania vs JEA
9 ora : TGBC vs Ankaratra
10 ora 15mn : Phoenix vs Serasera
12 ora : GNBC vs MB2All
(H)
2 ora : TGBC vs BCB
4 ora : ASB vs Cosfa
6 ora : SBC vs Cospn