Ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, ny Cosfa Analamanga, ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus Analamanga no efa tafita amin’ny fifanintsanana “Playoff 2023”, “Orange Pro Ligue” (OPL), taranja baolina kitra, hatramin’izao. Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ireo klioba efatra hanampy azy ireo amin’ity dingana manaraka ity. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Fosa Jr sy ny Cosfa dia avy amin’ny kaonferansy avaratra raha toa ka ny CFFA sy ny Elgeco Plus no kaonferansy atsimo. Marihina fa miisa
8 ireo ekipa mifaninana amin’ ny “Playoff OPL”. Araka ny fanazavana voaray, misy lalao mandroso sy miverina ny ampahavalon-dalan’ny “Playoff”, ohatr’izay ihany koa ny manasa-dalana. Tsy misy dingana roa kosa ny famaranana.
Fitia (Mpianatra asa)
Filaharana amin’ny OPL :
Kaonferansy avaratra :
Fosa Junior (28 isa)
Cosfa (24 isa)
As Fanalamanga (20 isa)
Ajesaia (19 isa)
Uscafoot (15 isa)
TFFC (9 isa)
Tia Kitra FC (7 isa)
Asa Diana (5 isa)
Kaonferansy atsimo :
CFFA (25 isa)
Elgeco Plus (22 isa)
Mama FC (20 isa )
Disciples FC (14 isa)
Zanakala FC (14 isa)
Jet Kintana FC (11 isa)
Dato FC (11 isa)
3FB Toliara (8 isa)