Nihazo ny faritra Menabe, hatry ny afakomaly, ny filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc. Nanentana ny olom-pirenena hisoratra anaty lisi-pifidianana ny tenany. Tsy mazava anefa ny fomba fiasan’ny CER sy ny CED any an-toerana.
Nivoitra tamin’izany fa ahitana lisitra telo samihafa any Morondava amin’izao fotoana izao. “Tsy mitovy ny isa tamin’ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy ary samihafa ny tahan’ny isan’ny mpifidy aty”, hoy ny mpitarika ny Tim. Hafa ny tatitry ny eo anivon’ny faritra sy ny eo anivon’ny kaominina ary ny any amin’ny Ceni foibe. Nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Randriamasinoro Riana koa fa iniana tsy ampidirina anaty lisitra tsotra izao koa ireo mpikambana Tim eny anivon’ny fokontany. Nodinganina ny fianakaviana sasany. Hentitra ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc fa tsy hilefitra amin’izao fomba fiasa fanahy iniana izao. “Handray andraikitra ary hampiakatra izao raharaha izao amin’ny sehatra ambony kokoa. Hiady izahay ny hahatonga antsika rehetra ho tafiditra ao anaty lisi-pifidianana fa tena tsy mety izao ataon’ny rantsan’ny Ceni izao”, hoy izy.
Nihaino ny maharary ny vahoaka
Tsy nanakana azy ireo hanentana hatrany ny olom-pirenena, hisoratra anaty lisi-pifidianana anefa izany. Nampahafantarina tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fidirana anaty lisitry ny mpifidy. Eo ny fahazoana mitory raha miseho ny tsy ara-dalàna. Ny fahafahana manao delege na koa mpikambana eo anivon’ny birao fandatsaham-bato. Ny fahafahana mifidy…
Tsiahivina fa hanatanteraka kongresim-paritra ny Tim any Menabe, anio. Efa nialohavan’ny fihaonana mivantana tamin’ireo mponina, amin’iny lalana mihazo ny any Morondava iny izany, afakomaly. Anisan’izany ny tao Bemanonga, Mahabo, Analaiva… Nihaino ny hetahetan’ny vahoaka sy ny olana mianjady amin’izy ireo ny filoha nasionalin’ny Tim tamin’izany.
Synèse R.