“Ny amin’ny fidangan’ny vidim-piainana no lohahevitra tena nibahan-toerana. Niara-nijery ny vahaolana ny rehetra, fa tsy ny firenena afrikanina sy i Madagasikara ihany. Samy mizaka izany fiakaran’ny vidim-piainana izany ny maneran-tany amin’izao, hatramin’ny firenena mandroso toa an’i Frantsa, i Etazonia… ”
Io ny tatitry ny depiote voafidy tany Ampanihy Andrefana, i Tsaradia Marco, momba ny fivoriambe, Réunions de Printemps, 2023, nandraisan’ny parlemantera 60 mahery maneran-tany anjara, niarahana tamin’ny Vondrona Banky iraisam-pirenena (GBM) sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), tany Washington, Etazonia, ny 10 sy 11 avrily lasa teo.
Voaresaka koa ny mosary amin’ny toerana maro aty Afrika. Tsy navahana tamin’
izany ny kere any atsimon’i Madagasikara, nitondrana vahaolana sy soso-kevitra teo anoloan’ny GBM sy ny FMI, araka ny fanazavany. Eo ny tokony hanamboarana fotodrafitrasa momba ny rano, indrindra ny lalana hahazoana mitondra ny vokatra avy amin’ireo faritra sahirana.
Ilaina ny vahaolana maharitra
Nankasitrahan’ny parlemanta malagasy, izay nosoloin’ny depiote voafidy tany Ampanihy Andrefana sy Ambatolampy tena, ny fanampian’ny GBM sy ny FMI an’i Madagasikara. Anisan’ izany, ohatra, ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana (ONU) momba ny sakafo (Pam) amin’ny vonjitaitra amin’ny sakafo, fandriampahalemana… Tsy manakana amin’ny fikarohana sy fangatahana vahaolana maharitra izany, hahazoan’ny vahoaka mahaleo tena amin’ny fitadiavana sakafo.
Ankoatra ny fahefana mpanao lalàna, anisan’ny delegasiona malagasy tamin’izany ny avy amin’ny fahefana mpanatanteraka, notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, izay anisan’ny voafidin’ny Afrikans Leadership Magazine (ALM) ao anatin’ireo 25 eo amin’ny haitarika amin’ny fampandrosoana ny toekarena aty Afrika na teo aza ny dona isan-karazany.
R. Nd.