ONG Jhpiego: “Manan-danja ny asan’ny mpampivelona sy ny infirmier”

15 taona niasana teto Madagasikara ny Jhpiego, fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamam-bahoaka, miara-miasa amin’ny Universite Johns Hopkins, oniversite lehibe maneran-tany.

Mifototra hatrany amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny asa sahanin’izy ireo, anatin’ny firenena155 ka anisany ny eto amintsika. Mitondra paikady vaovao hisorohana ny fahafatesan’ny reny sy ny fianakaviana ny fikambanana ary manamafy ny fahazai-manaon’ny fanjakana ihany koa, hoy ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny ONG, Raza­fiarijaona Tahina.
Nanomboka ny volana novambra lasa teo, manana fandaharanasa vaovao «Mo­mentum contry and global leadership» mandritra ny dimy taona ny ONG, tanterahina amin’ny firenena 16 ary tohanan’ny USAID vola. Sahanasa fito no hotontosaina ao anatin’ny faharetan’ny fandaharanasa ka lehibe indrindra ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy, hanavao ny antontan-kevitra momba ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena nefa ihany koa mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madaga­sikara. Momba ny fandrindram-piterahana, efa nivoaka ny lalàna mifehy izany ny taona 2019 eto amintsika fa vitsy no mahalala azy. Tsy hisian’ny hevitra diso voa­rain’ny olona momba ny fandrindram-piterahana sy ilay lalàna, manohana amin’ny fampahafantarana ny ONG ary manazava ny andraikitra sy zon’ny sokajy rehetra (tobim-pahasalamana, ny tsirairay…).
Manentana momba ny andraikitry ny lehilahy ao anatin’ny fandrindram-piterahana izy ireo tsy ho sakana ho an’ny vehivavy maniry ny hiroso amin’izany.
Mbola ao anatin’ny sahanasan’ny ONG ny fanampiana ny fahavononan’ny fanjakana sy ny tobim-pahasalamana isan’ambaratongany hiatrika rehefa tonga ny valanaretina toy ny Covid-19. Manao tantsoroka amin’ny fanaovam-baksiny fiarovana amin’ny valanaretina Coronavirus sy ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny herintaona ihany koa, hisorohana ny fahafatesana voaaro amin’ny vaksiny samihafa. Tsapa fa nanakorontana ny fiasan’ny rafitry ny fahasalamana ny fisian’ny valanaretina .

Fifanakalozana nasionaly …
Manampy ireo rehetra ireo ny fanohanana ny mpiasan’ny fahasalamana satria ny 70% n’ny mpiasam-panjakana dia mpiasan’ny fahasalamana sy ny fanabeazana avokoa. Fa­nohanana amin’ny fitantanana tsaratsara kokoa ireo mpia­san’ny fahasalamana, indrindra ny infirmier sy ny mpampivelona. Imasoan’ny Jhpiego manokana ireo sokajy roa ireo satria mpampivelona no mitantana azy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Izay no antony hikarakarana ny fifanakalozana nasionaly momba ny asan’ny mpampivelona sy ny infirmier, ny 19 sy 20 avrily ho avy izao, eny Ivato. Hijerena ny zava-misy iai­nan’izy ireo eny am-perinasa, ny kalitaon’ny tolotra omeny, hanatsarana ny sehatrasa satria miandraikitra ny roa ampahatelon’ny fitsaboana eran’izao tontolo izao izy ireo.

Vonjy A.

Efa nisahana fandaharanasa roa ny Jphiego. Voa­lohany ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana amin’ny faritra 16. Faharoa ny Tip-Top, fanomezana fanafody ny vehivavy mi­tondra vohoka hiarovana amin’ny aretina tazomoka sy hisorohana ny fahafahan-jaza na zaza tsy tonga vo­lana. Misy voka-drasy eo amin’ny reny sy ny zaza ny aretina tazomoka.

Partager sur: